Mondadori Store

Trova Mondadori Store

Benvenuto
Accedi o registrati

lista preferiti

Per utilizzare la funzione prodotti desiderati devi accedere o registrarti

Vai al carrello
 prodotti nel carrello

Totale  articoli

0,00 € IVA Inclusa

Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy

Dr. Olusola Coker
pubblicato da Tektime

Prezzo online:
0,00

Misy vavaka mahery miisa 500 anoherana ireo herin'ny aizina, hery ratsy, herin'ny mpamosavy ary ireo mpanapaka ny fahamaizinana rehetra eo amin'izao tontolo izao ity Boky ity. Araka ny voalazan'ny Efesiana 6:12 manao hoe: "Fa isika tsy mitolona amin'ny nofo aman-drà, fa amin'ny fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, dia amin'ny fanahy ratsy eny amin'ny rivotra." Rehefa mihevitra ny Vavaka anoherana ny herin'ny aizina isika dia mila mahatakatra fa ao anaty ady isika. Ady maro no mamorona ireo singa kely kokoa amin'ny tena zava-dehibe. Ara-pamaritana, ny ady dia mitaky fifanandrinana eo amin'olona anankiroa, eo amin'olona mifampiandany ary eo amina tafika, ary izy io dia izay karazana "fifaninanana na tolona na adihevitra maharitra ela" rehetra. Amin'ny maha-Kristiana antsika dia ao anatina ady ara-panahy amina karazany tsy voafaritra isika isan'andro. Ao anatin'ny ady lehibe dia iadiana amina toerana ifanandrinana samy hafa ny ady, noho ny antony samy hafa ary amina lentam-pahamafisana miovaova. Mitovy amin'izany ny ady ara-panahy. Tena misy ireo adintsika ara-panahy na dia tsy hitantsika ara-batana aza ny mpanafika. Izao anefa, azontsika atao ny mampianatra ny tenantsika ny fomba iadiana ireo ady ireo sy ny fomba iantraikàn'izy ireo amin'ny fiainantsika isan'andro. Mila manontany tena isika hoe "Inona no antony tokony hiadiantsika?" Tsy hahasoa antsika ny hampianatra ady ny tenantsika raha tsy mahita antony anaovana ilay ady isika. Zavatra tena iadian-kevitra tokoa eo amin'ny fanjakan'ny azo tsapain-tànana ny ady. Ireny toetra, finoana ary faharesen-dahatra ireny dia hifindra any amin'ny fanjakan'ny ara-panahy. Na izany aza, ao amin'ny fanjakan'ny ara-panahy dia misy ady mandeha na dia eo aza ny hevitsika manokana. Na isika mpandresy, na isika iharam-boina. Tonga i Jesosy ary naharesy. Efa azo any an-danitra ny fandresena amin'ny ady. Ao amin'ny Matio 28:18 dia miteny amintsika i Jesosy hoe "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy et an-tany." Ananantsika ankehitriny ny tombotsoa hànana fifandraisana mandrakizay amin'Andriamanitra. Maro amintsika no miditra amin'izany fanekem-pamonjena izany amin'ny alalan'ny fahasoavana. Saingy tsy mikasika ny famonjena antsika fotsiny ny Matio 28:18; momba ny fandresentsika isan'andro ihany koa izy io, izay mitambatra ho fiainana feno fandresena ao amin'i Kristy. Ny fandresena isan'andro dia azo amin'ny alalan'ny fahafantarana sy finoana ary fahatakarana ireo ady izay iaretantsika isan'andro, na tsy manao na inona na inona ianao na manao zavatra ao anatin'izany ady izany. Tianao ho azo izao dia izao ve ny zavatra rehetra tian'Andriamanitra ho anao et an-tany, sa te-hiandry ho tonga any an-danitra ianao vao handray ny fandresena sy fitahiana? Ao anatin'ity Boky ity dia ho takatrao ny Adin'ny Ady lehibe ara-panahy miaraka amina vavaka mihoatra ny 500 izay hahafahanao manohitra ireo herin'ny fahamaizinana ary ho mpandresy. Ireo vavaka ireo dia miantoka fa ho azonao indray ny fanananao sy ny fahafahana hahomby nomen'Andriamanitra anao ao anatinao. Ho azonao daholo ihany koa ny zavatra rehetra izay nesorin'ny Devoly taminao. Miatrika ireto fanamby manaraka ireto ve ianao, miaina amina toetran'ny antikristy ary manaraka ny Foto-pampianaran'izy ireo, Miaina tsy misy finoana, Fakam-panahy ara-nofo ho an'ireo tsy manambady, Herisetra ara-nofo, Fisaraham-panambadiana, Fahapoteham-piainana, Fahantrana, Tsy fisiam-pifantohana, Fikorontanan-tsaina, Filàna olona mitovy fananahana amin'ny tena, Filàna vehivavy mitovy amin'ny tena, Fiankinan-doha amin-java-mahadomelina, Tsy fananana asa, Tsy fananana tanjona mazava, Fikorontanan-tsaina, Kamo mivavaka, Tsy te hanompo an'Andriamanitra sy ireo maro hafa. Raha izany, boky tena tokony hovidinao ity boky ity. Raha misy atrehinao amin'ireo olana eo ambony ireo dia mila mahery setra ianao manao ireto vavaka manaraka ireto. Tsy misy olana mihoatra an'Andriamanitra.

Dettagli down

Generi Religioni e Spiritualità » Cristianesimo » Storia delle religioni

Editore Tektime

Formato Ebook con Adobe DRM

Pubblicato 22/06/2021

Lingua Malagasy

EAN-13 9788835425526

0 recensioni dei lettori  media voto 0  su  5

Scrivi una recensione per "Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy"

Vavaka Mahery Vaika Miisa 500 Hanoherana Ny Fanafihana Ara-Panahy
 

Accedi o Registrati  per aggiungere una recensione

usa questo box per dare una valutazione all'articolo: leggi le linee guida
torna su Torna in cima